Betsaka no tezitra sy sorena raha nandre ny zava-doza nataona raim-pianakaviana iray tao amin’ny Kaominina Ambohitsilaozana.
Ankizy vavy 10 taona eo ho eo no nanamparany ny filan-dratsiny. Tsy vao sambany no nanaovan’ity raim-pianakaviana ity izao fanolanana izao fa efa fanintelony. Ny mahagaga dia ny vavimatoa hatrany no hanaovany ity fanolanana ity.
Fanadihadiana natao no nahafantarana fa ny anabavin’io rangahy io vavimatoa dia efa naolany ary nisy ny fomba natao tamin’izay rehefa tratra izy. Mamohehatra, hoy ny olona ny zavatra tahak’izao ka tokony handraisana fepetra. Fantatra fa nalefa eto Iarivo ilay zaza naolan’io rangahy io fa izy kosa dia mbola miriaria any Alaotra any.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.