Mampianatra FRAM sy Sefo Fokontany

> Lasa fitaovana politika ny fanomezana tambin-karama


  • Alarobia 06 Novambra 2013

Tsy maintsy mifidy ary mampandresy ny kandidam-panjakana amin’ny fihodinana faharoa ianareo raha mbola te hipetraka amin’ny toeranareo.

Ny fitondrana ankehitriny no nanome ny volanareo. Izy no afaka manaisotra sy mametraka anareo amin’ny toerana ho an’ny sefo fokontany, ary mbola izy ihany koa no mampijanona anareo amin’ny maha “Maître FRAM”, manome na tsia ny volanareo. Fotoana hanampiana ny fitondrana izao. Mitaky valim-babena aminareo izy amin’io fihodinana faharoa io. Tery vay manta toy izany no mahazo ireo mpiasa madinika any ambany ravinkazo. Nisy mihitsy aza mpampianatra FRAM sy sefo Fokontany sahy nijoro ho vavolombelona saingy niangavy, tsy hambara na hotononina ny anaran’izy ireo fa mety hisy fiantraikany amin’ny asany. Marihina fa tsy ho àry hanohana ny kandida tian’ireo tomponandraikitra izahay nanankinana adidy eny anivon’ny fiarahamonina fa manana ny safidinay malalaka, hoy izy ireo, fa kosa gaga ary valalanina amin’ny fihetsika miendrika ramatahora sy tsindry aloka ataon’ireo tomponandraikitra sasany amin’ny fampidirina resaka politika amin’ny asam-panjakana. “Aiza ny CENI-T manolona izany tsy fanarahan-dalana izany ?”, hoy ny fanontanian’ireo iharan’ny teritery politika. Fa amin’izao ankatoky ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany izao, dia efa mandeha sahady ny fampielezan-kevitra ataon’ireo mpanohana ny kandidam-panjakana, mizara akanjo sy “poster”.

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT