Actualités

Mampiaka-peo ny Sendikan’ny mpitsara « Atsaharo ny fanenjehana noho didy navoakanay »


  • Talata 11 Oktobra 2022

Namoaka fanambrana mitondra ny laharana N° 08-SMM/P.22 ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM omaly 10 oktobra ho

fiarovana ny mpitsara amin’ireo fanenjehana mety ahazo azy noho ny fanapahan-kevitra na didy izay noraisiny ». Nomarihina tao anatin’io fanambarana io, izay nosoniavin’ny Filohan’ny SMM Atoa Mbitanarivo Andriantsihorisoa fa tato ho ato dia lasa fahazarana ny manenjika mpitsara sy milaza momba ny fiainany manokana eny amin’ny tambazotra sosialy rehefa misy didy na fanapahan-kevitra raisiny. Nampatsiahy noho izany ny SMM, fa ireny didy na fanapahan-kevitra ireny, na dia mpitsara aza no mamoaka izany, dia raisina amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy araka ny voalazan’ny Lalàna. Zon’ny tsirarairay, izay tsy afa-po, ny manao fampakarana na koa fanohanana izany didy izany. Nahitsy ny SMM nilaza fa manameloka ireny fanenjehana mpitsara ireny ary manao antso avo amin’ny tsirairay aloha ho tonga saina sy handray fepetra mba tsy hiverenenan’izany. Raha sanatria kosa misy famerenan-keloka dia hampiasa ny zony hitondra ny raharaha eo anivon'ny fitsarana mahefa ny SMM. Tany aloha moa, efa nisy ny karazana ohatra nentin’ny Filohan’ny SMM, fa tsy afaka hiteny ohatra ny fitsarana amin’ny resaka aditany hoe : zarao ho roa fa tsy maintsy misy mandresy ary misy ny resy. Miantso fandraisana andraikitra avy amin’ny Fanjakana ihany koa ny SMM mba anatanteraka marina ny voalazan’ny andininy faha-17 ao amin’ny Sata mifehy ny mpitsara izay mivaky toy izao : « Ankoatra ny fiarovana sitrahany,… ny mpitsara, ny fianakaviany sy ny fananany dia arovana amin’ny fandrahonana sy fanenjehana isan-karazany mety ihatra aminy. Ny Fanjakana dia miantoka ny filaminany ary manonotra ny fahavoazana mety ianjady aminy .... », hoy hatrany ny SMM. Isan’ny nampimenomenona ny mpitsara hatrany ny karazana tsindry sy baiko samihafa indrindra fa avy amin’ny manam-pahefana eo amin’ny fanatanterahan’ny mpitsara ny asany. Isan’ny hahatarafana izany resaka fanenjehana sy fandetehana ara-politika.
Toky R
(Sary Tahiry)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT