Actualités

Mampiaka-peo ny mpamono valala Tsy nahazo karama volana martsa


  • Alakamisy 04 Aprily 2013

Mandrimandry manana aretina ny Mpitondra FAT. Efa volana maromaro izay no nirongatra sy nandravarava ary nihinana ny voly rehetra teny an-tsaha ireo andiam-balala tamina distrika maro teto amin’ny nosy.

 Mananontanona vokatr’izany ny mosary amina distrika maro eto amintsika, indrindra ny ao Beroroha sy Betafo. Noho ny tsy fivoahan’ny vola enti-miasa amin’ny antsojay ataon’ny mpitantana vaovao ny tahirim-bolam-panjakana ao Toliara dia mikatso tanteraka ny asa eo amin’ny famonoana ny valala. Tsy mbola voaloa ihany koa ny karaman’ireo mpiasa 160 mamelona fianakaviana an’arivony, volana martsa hatramin’izao. Ny volana febroary moa dia tara be vao azo. Vokany, bokan-trosa ny mpiasa, ny ankizy tsy afaka mianatra sy zara raha mihinan-kanina.

Voalazan’ireo solontenan’ny mpiasa nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly, fa « natao avokoa ny fikatsaham-bahaolana samihafa nefa tsy nisy vokany izany noho ny fizirizirian’ny trésorie générale vaovao. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra izahay mpiasan’ny CNA mba hijery akaiky ity raharaha ity. Takianay, ny hivoahan’ny vola haingana toy ny teo aloha.  Famonoana ny tantsaha sy ny vahoaka malagasy an-tapitrisany ary ny mpiasa izao fomba fiasa mamohehatra izao. Vonona hiasa izahay fa ny vola no sakana », hoy i Miha Justin. Hatreto aloha, araka ny fampitam-baovao farany dia tsy hitokona ny mpiasa.

Nomarihan’ingahy Miha Justin hatrany fa sarety no hamonoana valala amin’izao noho ny tsy fisian’ny solika enti-miasa. Raha mirongatra ny valala dia aza mifanome tsiny isika. Tonga lavitra mihitsy moa ny antso avon’ireto mpiasa ireto. Olona iray ve no hamono sy hampikatso ny fiainam-pirenena ? Etsy an-daniny dia mba manana ny filazany sy ny fahitany ny zava-misy ihany koa ny vahoaka tsy mandady harona liam-baovao sy mpanaraka ny zava-misy eto amin’ny firenena. «Mbola misy ihany ve izany fanjakana sy ny mpitondra miahy ny vahoaka ? Sa dia samy manao izay saim-pantany amin’izao tetezamitatra izao ! ». Ny tantara no hitsara.

 

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT