Actualités

Mampiaka-peo ny Antoko APM “Hanokafy fanadihadiana Parlemantera i Lanto R”


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Nandefa taratasy miantefa amin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ny Antoko Politika Madio na ny APM manoloana ny fahatrarana fanondranana an-tsokosoko ireo hazo voamboana na “palissandre”

tany amin'ny faritra Alaotra Mangoro nahavoatononona ny depiote IRD Lanto Rakotomanga. Mitaky fanadihadiana lalina hatao amin'io solombavam-bahoakan’ny Boriborintany Faharoa eto Antananarivo io noho izany ny APM. “Sarotiny izahay amin'ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fanararaotam-pahefana ataon'ny olom-boafidy na olom-boatendry. Noheverina mba ho modely sy ho fitaratra kanefa olom-boafidy mampivarina an-kady ka tsy ekenay izany ary takianay ny “enquête parlementaire” amin'ny fivorian'ny antenimera ho avy io”, hoy ity Antoko ity tamin’ny alalan’ny taratasy nosoniavin’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Livarijaona Tafita Toussaints. “Aoka tsy ho adinoina ihany koa fa tsy vao androany no nahenoana ny anaran'io ramatoa io voatonotonona amin'ny karazana afera maizimaizina kanefa dia mangina ireo solombavam-bahoaka volomboasary maro an'isa ao anatin'ny antenimieram-pirenena. Ny loholona koa etsy andaniny dia tsy handrenesam-peo. Heverinay fa eo ambanin'ny lalàna daholo ny olon-drehetra tsy ankanavaka na iza na iza izy, ka anterinay ny fanokafana fanadihadiana lalina ary mangataka ireo mpitsara mahefa hanatanteraka ny asany an-tsakany sy an-davany, tsy hisy tsindry na teritery. Miandry ny tohin'ny fanadihadiana izahay ato anatin'ny fotoana fohy”, hoy hatrany ny APM. Ny mpamily nitondra ilay fiara aloha izany hatreto no any am-ponja, fa ny voatonontonona ho tompon’ny entana, izay toa nohampangain’ilay taratasy hafahafa tsy ara-dalàna manome alalana ilay fiara handeha malalaka hitatitra hazo amin’ny fotoana tsy voafetra milamindamina. Ialokalofana ny “immunité parlementaire” na zo tsy azo henjehina, kanefa zavatra tsy tokony hifandray akory ireo, raha tarafina amin’ny havesatry ny heloka sy fandikan-dalàna raha tena ampiharina ny lalàna. Lasa fieren-jiolahy sy ny mpanao afera mihitsy ve ny antenimiera? Azo inoana fa hampanao fanadihadiana parlemantera ny olony ve ny Vondrona IRD ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT