Mampiahiahy ny lisi-pifidianana

> Misy mpifidy voasoratra anarana in-droa


  • Alarobia 23 Oktobra 2013


Kitoatoa tokoa ity fifidianana 2013 ity ary tsy mitovy amin’ny fifidianana hatramin’izay. Tranga iray ao amin’ny Fokontany Ambatovinaky ao anatin’ny fianakaviana iray ity ambara ity. Trano hipetrahan’ny fianakaviana maro. Misy ny olona voasoratra anarana in-droa, misy kosa nefa miray trano ao ihany kanefa dia sady tsy nahazo kara-pifidianana no tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana na dia tonga nandray ny anaran’ny olona tonga taona tao amin’izy ireo aza ny CENI-T. Tranga iray hafa ao amin’ny Fokontany Ambondrona koa dia iianakaviana iray ahitana mpifidy efatra kanefa dia iray ihany no nahazo ilay kara-pifidianana. Re etsy sy eroa amin’ny haino aman-jery fa dia efa tomombana sy mizotra ara-dalàna ny fikarakarana ny fifidianana. Tsy tamin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka ihany ve no miverina ? Raha izany no mitranga eto an-drenivohitra, manao ahoana  ny fitrangany any amin’ny faritra any ? Manara-penitra tokoa.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT