Actualités

Mampaneno lakolosy ny KMF-CNOE Ahenao ireo fandaniam-panjakana tsy mamokatra


  • Talata 19 Jolay 2022

Manaitra ny fitondram- panjakana amin'ny fitsinjovana ny lavitra amin'ny fitantanana ny firenena ny KMF-CNOE Fanabeazan olom-pirenena indrindra amin'ny lafiny ara toe-karena,

manoloana ny fampiakarana ny vidin-tsolika nanomboka ny 11 jolay, ary nampiakatra tampoka ny saran-dàlana sy ny vidim-piainana manarena ny Nosy. Raha niakatra ho 43 % taratahakeliny ny vidin-tsolika solika dia ahiana ny tsy maintsy hiakaran’ny vidin'entana maro sy ny tolotra misy eto amin ny firenena, hoy ity firaisamonim-pirenena ity. Raha ampitahaina amin'ny firenen-kafa i Madagasikara dia saika miady lohalaharana amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra maneran-tany. Raha eo ho eo amin'ny 1,90 dolara isan'andro, izany hoe 7 834 Ar ny salasalan'ny fidiram-bolan'ny malagasy iray amin'zao fotoana izao, ka tsy ho zakan’ny isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidim-piainana. Noho izany miantso ny fitondram-panjakana ny KMF-CNOE amin'ny fandraisana andraikitra amin ny fitadiavana vahaolana mahomby sy maharitra amin'ny famoahana ny firenena ao anatin izao sedra mafy iainan'ny vahoaka izao. Mbola fotoana izao amin'ny fiezahan'ny mpitondra mafimafy kokoa amin'ny famahana ny olana fototra misy eto amin'ny firenena, mba tsy hahatogavana amin’ny mety fipoahana ara-tsosialy tsy ampoizina. Miantso ny famahana ny olan’ny herinaratra vatsian'ny JIRAMA izay manampy trotraka ny fahasahiranana efa mianjady tokantrano, indrindra ireo mivelona amin’ny herinaratra ihany koa izy ireo. Fahatelo, aoka mba hitsinjo ny tokantrano malagasy ny tanapahan-kevitra izay raisinareo mpandraharaha ara-toekarena ny amin'ny fampiakarana ny vidin' ireo entana sy ny tolotra ilain'ny tokantrano malagasy isan’andro, hoy ny fanambarana. Miantso fanaraha-maso ny vidin’entana sy famolavolana haingana fepetra na mesures d'accompagnement tena mahomby izay mitondra fahatanjahana ara-toekarena maharitra. Miantso ny fampihenana ny fandananim-bolam-panjakana izay tsy ahitana vokatsoa mivaingana toy ny fanomezana « indemnité » avo loatra ho an 'ny mpiasam-panjakana sasantsasany, fanaovana fampisehoana, fividianana 4X4 ho an'ny mpiasam-panjakana.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT