Actualités

Mampahory ny tahotra


  • Zoma 06 Mey 2016

Hoy ny tenin’ny Soratra Masina : “Mampahory ny tahotra”. Raha tsy hiresaka finoana fa fisainana siantifika fotsiny izao, amin’ny Sampana Psychologie sociale,


 

 dia tsy mety mihitsy, tsy mandroso ny fiarahamonina iray raha mitaintaina toa saobakaka ambodiriana, mihorohoro amin’ny tahotra ny olona ao anatiny. Izany anefa no iainantsika Malagasy ankehitriny. Ny alarobia 4 mey, tamin’ny 7 ora sy 45 minitra hariva dia nahagaga fa nikatona daholo ny tsena rehetra teny Ampamantanana-Androndra, tsy ohatra ny isan’andro, raha araka ny fitantaran’ny mponina iray eny an-toerana nampita ny vaovao. Nisy polisy maro nivoaka ny fiara 4x4, mirongo basy teo, efa nisy mpanao gazety tonga ihany koa. Nambaran-dry zareo fa tsy hita izay tena marina, ny olona anontaniana mitsoatsoaka daholo, tsy mazava ny filazany. Nihodinkodina teo ry zareo dia niveri-maina no niafarany.  Omaly alakamisy, rehefa nanontaniana ireo mpivarotra hoe iza no voatafika omaly izany ? « Tsy nisy fa tany avaratra tany, hono, nisy poa-basy dia  nirodorodo ny olona, nohidiana daholo haingana ny tsena ». Ka renareo ve ilay poa-basy ? Tsy henonay, hoy ilay mpivarotra fa ny nangorona entana no natao haingana ! Ny marina izany dia tsy nisy tokoa ilay izy fa ny saina no efa voadona sy mora handairan’ny tsaho. Tsy mamokatra araka ny tokony ho izy mihitsy anefa ny olona tahaka izany fa mainka mampitombo ny fahantrana, sady mora ambakaina sy ampiesonina. Mila fandinihana lalina ho an’ny mpitondra fanjakana sy ny fiarahamonina izy ity.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT