“Efa tsy manana fiarovana ara-dalŕna intsony ny tany eto amintsika, na efa manana ‘titre’ ara-dalana izao aza”.
Izay no nambaran’ireto fianakaviana avy ao Fenoarivo Atsinanana naneho ny alahelony noho ny fibodoan’olona ny taniny, ary nampiditra am-ponja azy mihitsy fa hoe “tsy nanaraka ny didin’ny fitsarana tamin’ny fanalana azy”. Raha jerena ity raharaha ity, dia niainga tamin’ny “titre” 3031T ny tany, ary raha ny boky firaketana ny tany eo anivon’ny fananan-tany Toamasina, dia olona telo no tompony tamin’izay. Ny “Certificat de situation juridique” (vita amin’ny solosaina fampiasan’ny biraon’ny fananan-tany Toamasina) nivoaka momba ny tany ihany koa, izay nataon’ny Controleur des domains, Andrianarivelo Solofotiana, azy dia tsy nisy fiovana ity tany ity fa mbola io “titre” 3031T io no misoratra ao anaty boky. Tsy izay anefa ny zava-nitranga fa nisy olona nilaza fa tompon’ny tany ary nividy izany tamin’ny voalazany fa tompony ihany koa teo aloha, dia namoaka “Certificat de situation juridique” (izay vita tamin’ny milina fanoratana indray kosa) nataon’Atoa Randrianasolo Basile, izay tsy misy ny tena asany eo ambanin’ny soniany, milaza fa mitondra ny “titre” 5330BD indray ity tany antsoina hoe “Saint Etienne” ao Fenoarivo Atsinanana ity, izay tany mirefy 18a67sa. Vokatr’io raharaha io, dia nitory ity olona nahazo ny titre 5330BD ity teo anivon’ny fitsarana ady maika tao Toamasina, ka namoahan’ny filohan’ny fitsarana “ordonnance” laharana 31-PPCA/CAD/11 ny 22 aprily 2011, amin’io titre 5330BD io ihany. Raha tonga anefa ny vadintany roa avy ao Toamasina nanao ny “commandement” sy avy ao Fenoarivo Atsinanana nanao ny “assignation” fandroahana, dia ilay titre 5330BD no nasehon’izy ireo ka teo no nahatonga ny olana satria nampiseho ny titre 3031T ny tompon-tany, ary nijoroany hatramin’ny farany fa azy ny tany ary manana ny titre 3031T mazava tsara eo anivon’ny bokiben’ny fananan-tany Toamasina. Noho izay rehetra izay no tena nahatonga ny olana ary nampidirana am-ponja ilay manana ny titre 3031T ity mihitsy. Lasa lavitra moa ny raharaha ankehitriny, satria nitory ireto olona manana titre 5330BD ireto nanao hosoka ihany koa ny tena tompon-tany ary nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny Bianco Toamasina, ka ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.