Actualités

Malok'ila 14 Carats Hivoaka kapila amin’izay


  • Alarobia 26 Martsa 2014

Enim-bolana eo ho eo no tsy namoaka sarimihetsika ny Scoop Digital. Efa tsindrian-daona miandry ny fivoahan’ny vokatra vaovao “Malok'ila 14 carats” ny mpankafy.

 Ho tanteraka izany rahampitso amin’ny fivoahan’ny kapila Vcd sy Dvd. “Naka fotoana tsara ny mpanoratra ny tantara fa tsy mba nirotoroto tamin'ny fanoratana. Efa hatramin'ny volana aogositra 2013 no nanombohany nandrafitra an'izany ary heveriny fa misy hotsakotsakoina be ilay izy ary misy hafatra horaisin'ny rehetra», hoy Razafimandimby Mamitiana.

Nanampy fitaovana raitra koa ny tranom-pamokarana Scoop Digital sady nanome fiofanana ireo teknisianina sy ny mpilalao ho fanatsarana hatrany ny vokatra. Marihina fa ho fanoloana ny tantara Malok'ila ny andian-tantara “104” sy ny “Adisanina”. Ho an'ity farany dia hanomboka amin'ity herinandro ity ny fanodinana azy ary mety hivoaka amin'iny volana aprily iny ihany koa izy. Mampitandrina hatrany ireo mpivarotra vokatra hosoka ny tranom-pamokarana sy mitaky amin’ny fanjakana ny fampiharana ny lalàna amin’ireo izay tratra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT