Efa namono olona 98 tany Guinée ny viriosy Ebola. Trangan’aretina 151 no hita ka nitarika fahafatesana ny 98 tamin’ireo. Tsy mety voafehy ity valanaretina ity, izay manomboka mihanaka amin’ireo firenena mifanolo-borindrina aminy.
COTE D’IVOIRE : Rombo nateraky ny tsy fisian-drano
Niteraka ady saritaka ny tsy fahampian-drano tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Yopougon any andrefan’i Abidjan renivohitra. Ilaharana ny rano eny amin’ny paompy. Eo ampiandrasana ny fisian’ny rano no raikitra ny sakoroka, ka dia maro no naratra. Tranga izay fahita matetika eto an-drenivohitra ihany koa.
AFRIKA ATSIMO : Mitaky fanazavana ny governemanta
Mitaky fanazavana ny amin’ny fampiasana volam-bahoaka tamin’ny fanatsarana ny trano, izay fananana manokan’ny filoha Jacob Zuma ny governemanta Afrikanina tatsimo. Na izany aza dia fantatra fa tsy hivoaka alohan’ny fifidianana hatao amin’ny 7 mey ny valin’ny fanadihadiana.
MANERANTANY
MPILALAO KITRA MALAZA : Hiteraka ny zanany faha-6 i Raúl
Hiteraka ny zanany faha-6 ilay mpilalao malaza nitondra ny laharana faha-7 tao amin’ny klioban’i Real Madrid dia i Raúl González. 36 taona ity farany izao, milalao any Qatar. Hatramin’ny taona 1999 izy no nanambady an’i Mamen Sanz. Jorge (14 taona), Hugo (12 taona), kambana isany Héctor sy Mateo (8 taona) ary María (4 taona) izao no zanak’izy ireo eo ampiandrasana ity faha-6 ity.
MONDIAL 2014 : Nitohy ny fanamboarana ny kianjan’i Sao Polo
Nitohy nanomboka ny alatsinainy teo ny asa fanamboarana ny kianjan’i Sao Polo handraisana ny fanombohana ny fiadiana ny amboara erantany amin’ny baolina kitra hatao any Brezila amin’ny 12 jona izao. Naato vonjimaika ny asa taorian’ny nahafatesan’ny mpiasa iray vokatry ny fianjerana avy eny amin’ny valindrihana amin’ny tribune ny 31 martsa teo.
ITALIA : Mpitsoa-ponenana miisa 1049
Mpitsoa-ponenana miisa 1049 no navotan’ny tafika an-dranomasina italianina tao anatin’ny 24 ora. Sambo telo samihafa, natopatopa teny afovoan’ny ranomasina teny, no nitondra ireo mpitsoa-ponenana izay avy amin’ireo tany miady aty Afrika avokoa. Vehivavy ny 151 amin’izy1049 ireo, ankizy ny 91 ary zaza menavava ny 3.
TORKIA : Firenena voalohany mahasarika mpizahatany
Araka ny fikilasiana navoakan’ny gazety boky vahiny iray dia i Istanbul (Torkia) no tanàna voalohany mahasarika mpizahatany indrindra amin’ity 2014 ity. Manaraka azy i Rome (Italia), Londres (Grande-Bretagne), Beijing (Chine), Prague (Rép. Tchèque), Marrakech (Maroc), Paris (France), Hanoi (Vietnam), Siem Reap (Cambodge) ary Shanghai (Chine).
Mamahana finday ao anatin’ny 30 segaondra
Misy orinasa vao misondrotra any Israely (Storedot) nahavita fitaovana mahavita mamahana herinaratra finday ao anatin’ny 30 segaondra monja. Karazany natao ho an’ny “Samsung Galaxy S4» ihany anefa aloha no mbola vitan’izy ireo hatreto, na izany aza mbola amin’ny 2016 any koa vao ho hita eny an-tsena ity fitaovana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.