AFRIKA
AFRIKA ATSIMO : Latsa-dranomaso ary nisy fotoana nandoa mihitsy ilay atleta afrikanina tatsimo manao solotongotra Oscar Pistorius nandritra ny fijoroana vavolombelona nataon’ilay dokotera nanao fizahana ny vatamangatsiakan’i Reeva Seenkamp vokatry ny tifitra in’efatra nisesy nataon’i Oscar Pistorius ka nahafaty azy ny alin’ny 14 febroary 2013 andron’ny mpifankatia. Saika tsy nety niala teo amin’ny toerana fijoroan’ny voampanga mihitsy izy raha tsy notambatambazan’i Aimée anabaviny. Hitohy anio ny fihainoana ireo vavolombelona mikasika ity vono olona ity.
ALZERIA : Maniry ny hiara-kiasa amin’ny mpitondra any Alzeria ry zareo Japoney mba hahafahana mametraka filaminana maharitra any amin’ny Faritr’i Sahel, indrindra taorian’ny zava-nitranga tany amin’ny toby fitrandrahana gazy any “In Amenas”.
SOUDAN : Olona an’arivony no nitsoaka an’i Saraf Omra, vokatry ny firongatry ny herisetra any amin’ity tanàna iray any atsinanan’i El-Geneina, renivohitr’i Darfour-Andrefana, ity araka ny tatitry ny iraka iraisan’ny Firenena Mikambana-Vondrona Afrikanina any Darfour.
TCHAD : Ny alahady teo dia niantso fitokonana ireo sendikan’ny mpiasa amina vondron’orinasa Sinoa mpitrandraka solika any Tchad dia ny Great Wall Drelling Corporation sy ny China National Logging Corporation. Fitakiana fanondrotana karama no antony. Araka ny nambaran’izy ireo dia efa tamin’ny taon-dasa no natolotr’izy ireo ny mpitantana ny orinasa ny fangatahana nefa tsy misy valiny, ka dia izay no anton’ny fitokonana.
YEMEN : Mpifindramonina an-tsokosoko miisa 42 no dobo an-drano tany amin’ny ranomasin’i Yemen ny alahady teo. Fefika ny sambo nitondra azy ireo, araka ny tatitra nataon’ny minisitry ny fiarovana any an-toerana.
AFRIKA ATSIMO : Nahitana trondro heverina dinôzôro tany amin’ny fari-dranomasin’i Afrika Atsimo. Any amin’ny 120 metatra ambanin’ny ranomasina no nahitana azy, ary tombanana ho efa 410 tapitrisa taona. Io no trondro tombanana fa antitra indrindra mbola velona hita hatramin’izao.
MANERANTANY
JAPANA : Lehibe tokoa ny fitiavan’i Yasuo Takamatsu an’i Yuko vadiny. Ity farany izay nopaohin’ny «Tsunami» tamin’ny martsa 2011, na dia efa nihanika mba hanavo-tena teny an-tafontranon’ny banky iray any Onagawa aza. Hitan’i Yasuo tao anaty atsanga sy korontan-javatra navelan’ny ranomasina rehefa nisintona ny findain’i Yuko vadiny, ary «Tsunami goavana» no hafatra mbola novakiany tao. Mbola manantena hatrany ny hahita velona an’i Yuko i Yasuo ka dia mbola mirotsaka an-dranomasina manohy ny fikarohana am-badiny.
FRANTSA : Mpisolovava frantsay maro no naneho ny tsy fahafaliany omaly manoloana ilay raharaha mahoraka any Frantsa hatramin’ny herinandro teo, fa dia misy mihaino ny antso an-tariby rehetra nifanaovan’i Nicolas Sarkozy sy ny mpisolovavany, fony itsy voalohany mbola filoha frantsay nefa voarohirohy amina fakana vola tamin’ny fianakaviana Bettencourt. Etsy an-kilany anefa ny minisitry ny fitsarana frantsay, Rtoa Christiane Taubira, dia milaza fa tsy misy tsy maty manota izany.
KOREA AVARATRA : Voafidy ho depiote i Kim Jong-un. 100% ny vato azony. Tsy nisy mpifaninana izy fa kandida tokana. Tsy maintsy nifidy ihany koa ny olona. Tany amin’ny fari-pifidianana faha-11 any amin’ny havoanan’i Paektu, toerana nahaterahan’i Kim-Il Sung raibeny izay nanorina an’i Korea Avaratra no nifidianana azy. Izy izany izao no fianakaviana mitondra ny anarana Kim mpikambana ao amin’ny Antenimiera entim-bahoaka an’i Korea Avaratra.
CUBA : Nodimandry ny alahady teo, tany La Havane, teo amin’ny faha-92 taonany i Melba Hernández. Mpiara-mitolona, nitam-basy tamin’i Fidel Castro nanohitra ny fitondrana jadon’i Fulgencio Batista izy, nanafika ny lakazera tao Moncada ao Santiago ny 26 jolay 1953. Voasambotra i Melba Hernández taorian’izay saingy navotsotra ny febroary 1954.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.