Actualités

Malagasy manohana ny fehinkevitry ny FFKM Tsy ho eny Ambohijatovo, fa hivavaka ao Antsahamanitra


  • Zoma 26 Jolay 2013


Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, ny Malagasy Manohana ny Fehin-kevitra niarahana tamin’ny FFKM, izay tarihin’Atoa Andriamiseza Alain, ary tohanan’ny fikambanana maro dia miantso ny vahoaka Malagasy ho tonga eny Antsahamanitra ny sabotsy 27 jolay manomboka amin’ny 10 ora maraina. Fotoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana ho an’ny firenena sy fankaherezana ny FFKM ary fampirisihina ny Filoha 4 hifamela heloka no lahadinika amin’izany, hoy i Andriamiseza Alain. Etsy an-daniny koa ny fanohanana ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny fivoriana teny Ivato. Nambaran’i Andriamiseza Alain fa Tokony hiray hina hampanjaka ny soatoavina maha Malagasy (fihavanana) ny rehetra raha te hampandroso marina ny firenena. Aminy, tsy mpibaiko ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa manoro sy manampy antsika Malagasy amin’ny firosoana amin’ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny firenena.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT