Miverina tsikelikely ny famerenana an-tanindrazana an’ireo mpiasa malagasy avy any amin’ny tany arabo. Nampahafantatra ny hisian’io fahafahana mody io ny fikambanana “Zanak’i Gasikara” na ny AZIG, mpikarakara ny dian’izy ireo omaly.
Mpiasa Malagasy miisa 11 no hiainga avy any Lafrantsa ny 13 martsa ho avy izao, araky ny fanazavan’ny filohan’ny AZIG, Heliarisoa Carrozza, omaly. Mbola ny teratany Malagasy avy any Koweït ihany aloha izao ho lasa izao satria mbola eo am-panomanana ny fomba handefasana ny avy any Arabia Saodita, hoy ny fanamarihany. Noho ny antony isan-karazany, nomena tombondahiny ireo mpiasa nofonjaina. Vokatry ny fifanarahana tamin’ny firenena mpampiantrano izay efa nahatsiaro ny vesatra nateraky ny fisian’ireto Malagasy tsy niasa ireto nefa tsy maintsy iantohana ny fivelomany no isan’ny ahafahana manao ny fampodiana. Mbola ireo teratany Malagasy nifonja tany Koweït ihany koa no handrafitra ny andiany faharoa, atsy ho atsy. Nomarihin’ny filoha mpanorina ny AZIG manokana kosa ny mikasika ilay tovovavy Malagasy tratry ny aretin-tsaina tany Arabia Saodita satria tokony handray fiaramanidina hody an-tanindrazana ny 20 martsa izao izy ka efa nalefa any amin’ny masoivoho Malagasy ny tapakila handehanany saingy tsy maintsy iandrasana ny fanapahan-kevitry ny mpitsabo ny fandefasana azy, hoy ny tany amin’io ambasady Malagasy any Ryad io, araky ny tatitra avy amin’ny AZIG izay nampiandraiketin’ny fitondram-panjakana any Koweït ny fikarakarana ny fividianana ny tapakila sy ny famandrihana ny trano hihibohan’ireo mpiasa ireo rehefa tonga aty Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.