Actualités

Malagasy iray maty any Etazonia Kahorina mafy izay mety ho havany


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Namoaka sy nanamafy ny antso avo amin’ny fikarohana ny havan’ny raim-

 

 

pianakaviana iray teratany Malagasy antsoina hoe Emmanuel Ratsimanosika, izay nodimandry tany amin’ny Comité de Franklin, any Ohio Etazonia ny 21 novambra lasa teo. Teraka tamin’ny 10 aogositra 1952 izy, mpahandro tao amin’ny Ambasadin’i Madagasikara tao Washington ny taona 1983-1984. Nipetraka hatrany tany Etazonia izy nanomboka tamin’ny 1984 taorian’ny niasany tao amin’ny Masoivoho Malagasy any an-toerana, saingy tsy ao anatin’ny lisitr’ireo Malagasy voaraikitry ny rejisitry ny Malagasy any an-toerana. Efa nisy ihany koa ny antso avo nataon’ireo Fikambanan’ny Malagasy monina any an-toerana. Nanao antso avo ho an’ireo olona rehetra mety manana vaovao sy mahalala ny mety ho fianakavian’i Emmanuel Ratsimanosika noho izany ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Afaka miantso mivantana ny Fiadidiana momba ireo diaspora ao amin’io Minisitera io, varavarana faha-132 etsy Anosy izay mety manam-baovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT