Tanteraka soamantsara ny sabotsy 9 Janoary 2021 ny hetsika "Nofon-kena mitam-pihavanana" natao ho solon'ny fifampiharabana tratry ny taona vaovao izay nokarakarain'ny Firaisankina ara-tsosialin'ny mpiasan'ny masoivohon'i Madagasikara any Frantsa. Hetsika izay notanterahina tao amin’ny Foyer Universitaire Cachan. Sakafo efa voaomana miisa 250 no voazara. Anisan'ny nisitraka izany ireo mpianatra Malagasy izay monina ao amin’ny FUM sy ireo Malagasy namaly ny antso. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana Ramatoa Nivo Rajohnson vadin'ny Ambasadaoron'i Madagasikara any Frantsa Andriamatoa Rija Rajohnson. Toy izany ihany koa ny Ben’ny tanàna lefitry ao amin’ity tanàn-dehiben’i Cachan ity sy ireo ekipa niaraka taminy. Maneho indrindra ny fisaorana mitafotafo tamin’ireo rehetra niara-miasa sy nifanotrona, izay niara- nisalahy ka nahatontosa izany hetsika izany ny mpikarakaraka. Namerina sy nanamafy ihany koa ny fiarahabana tratry ny taona ho an’ny Diaspora Malagasy ary mirary ny taona 2021 mba ho feno fahombiazana sy fahasalamana ho an'ny isam-pianakaviana, indrindra indrindra izay tsy adino ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra an'i Madagasikara, hoy izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.