Actualités

Maki Andohatapenaka Saika hamidy 400.000 Ar ny iray kilao amin’ny taolam-paty


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Tovolahy miisa 02 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP7 teny amin'ny toby fiantsonan'ny taxi brousse tetsy amin’ny Maki Andohatapenaka

omaly alarobia 30 novambra tokony ho tamin'ny 05 ora sy sasany maraina rehefa nangalatra taolam-paty.Taolam-paty avy any Toamasina any ireo tratra ireo raha araka ny fantatra. Teo Beforona izy roalahy ireo no niakatra ilay fiara ka harona gony no entana nentin'izy ireo. Vao nigadona teny amin'ny Fiantsonana Makis Andohatapenaka anefa izy ireo dia nosavain'ny Polisy avy hatrany ny mpandeha rehetra ka tra-tehaka tamin'izany ireo taolam-paty nentiny. Nambaran'izy ireo fa hamidy 400.000 Ar ny kilao amin'ireto taolam-paty ireto ary 50.000 Ar no anjaran'izy roa lahy ireto mitondra izany aty Antananarivo. Mbola hanaovana fanadihadiana mikasika izay tena ati-doha mikotrika izany izy roalahy ireto hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ireo taolam-paty nentiny avy any Toamasina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT