Actualités

Maka Alphonse - Filohan’ny CFM « Ho olan’ny firenena ny olan’ny mpanao gazety raha tsy halamina»


  • Talata 05 Oktobra 2021

Naneho hevitra eo anatrehan’ny olan’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao ny Filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFF) Atoa Maka Alphonse omaly.

 Nandritra io no nanehoany, fa “raha mikorontana ny asa fanaovan-gazety dia mety hiteraka voka-dratsy ao anatin’ny fiarahamonina sy hahatonga disadisa eto amin’ny firenena. Ilaina noho izany ny hisiana marimaritra iraisana sy fitoniana ao anatin’ny asa fanaovan-gazety, ao anatin’ny fanajana ny lalàna”, hoy izy amin’ny mpanao gazety sy amin’ny maha Raiamandreny Filohan’ny CFM azy. Nambarany fa voazarazara ny mpanao gazety noho ny firehana politika tsy mitovy ka samy mandrirotra amin’izay maha mety azy ireo, ary notsipihiny fa tsy hipoitra izay olana izay raha mipetraka amin’ny maha mpanao gazety azy ireo mpisehatra, ary manaja ny maha asa masina ny asany, hoy hatrany I Maka Alphonse. Tsy misy olana tsy ahitam-bahaolana rehefa misy ny finiavana amin’ireo ankolafy rehetra lasa niforona ao anatin’ny asa fanaovan-gazety, ary ny fiaraha-midinika ihany no vahaolana eo anatrehan’izany, hoy ny Filohan’ny CFM. Nisy moa omaly ny fanambarana nataon’ny Fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety sy ny Tambazotran’ny mpanao gazety mpikirakira ny trangam-piarahamonina sy mpanao fanadihadiana lalina eto Madagasikara (RFDIM), izay samy niantso ny hanemorana ny fifidianana Filohan’ny OJM kasaina hatao ny 16 oktobra ka handaminana ny savorovoro aloha.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT