Be dia be ny zava-nisy toy izao tamin’ny andron’ny tetezamita, hoy ny mpahay lalana Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, nanazava ny raharaha Jeneraly Richard Ravalomanana omaly.
Misy ohatra lehilahy iray avy any Ankililaoka, Toliara, dokotera izy io ary niasa tao amin’ny minisiteran’ny jono, mpanolontsaina tekinika tao. Iraka na “chargée de mission” tao aho tamin’io, hoy izy. Notorian’ny tany amin’y prezidansy izy io dia nandeha foana tany amin’ny DSP, kaomisera Nakany Charlie tamin’izay no nanao ny fanadihadiana sy ny rehetra. Nogadraina ilay dokotera satria hono misy olona miisa 2 miaraka amin’io dokotera io handefa varatra avy any Toliara hamono ny filoham-pirenena taty Antananarivo, Andry Rajoelina. Izany ve dia hitombona? Mora ny mitory any amin’ny fitsarana fa ento ny porofo, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.