nandefa olona teny Ambohijatovo sy ny manodidina ny kung-fu ny sabotsy 19 mey teo nandritra ilay hetsika nokarakarain’ny Free FM.
Diso ary tsy mitombina arak’izany ny filazana fa nisy mpikatroka kung-fu voasambotra na koa nanakorontana, hoy ihany izy. Ny federasion’ny kung-fu eto Madagasikara ihany koa moa dia nanamafy fa tsy nandefa olona teny Ambohijatovo na dia ny iray aza. Tsara ho fantatra ihany, hoy ny Maitre Avoko fa tsy izao olona rehetra izao dia ambara fa mpanao kung-fu. Misy ny fepetra araka ny lalàna sy araka ny fitsipi-pifehezana maha mpanao kung-fu ny olona iray, hoy ny Maitre Avoko, ka voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy manana ny karatra maha mpikambana sy “passeport sportif” omenan’ny federasiona malagasin’ny kung-fu, manankery amin’ity taona 2012 ity ilay olona, ary manana foibe miandraikitra azy, izay afaka manaporofo fa mpikambana feno ao no sady manao fanazarantena ao izy.
Nametra-panontaniana moa ny Maitre Avoko nanao hoe : moa va nahafeno ireo fepetra ireo, ilay olona voasambotra, sa dia fanendrikendrehana sy fanosoram-potaka ny kung-fu fotsiny no natao, ary inona no tanjona amin’izany ? Tsy nandefa olona teny Ambohijatovo izahay, tamin’ny sabotsy hoy ny Maitre Avoko satria tsy tahaka ireny fa tokony amin’ny endriny hafa ny fitondrana vahoaka hidina an-dalambe izany. Maro ny paikady azo ampiasaina amin’izany, hoy ihany izy fa tsy hoe entina eny ny vahoaka dia mifanjevo amin’ny mpitandro ny filaminana avy eo, dia raikitra ny korontana. Fa araka ny fantatra ihany koa dia vita ny alahady lasa teo ny fampivondronana sy fampiofanana ireo mpikatroka kung-fu eto Antananarivo renivohitra. Teny Andrefan’Ambohijanahary moa no nifampitaona ny rehetra, nisy ny fampiofanana ara-teknika sy ara-tsaina ary ara-panahy.
Nihazakazaka namakivaky faritra maro teto an-drenivohitra ireo mpikatroka kung-fu maro io alahady, ka anisan’ny nandalovana tamin’izany ny teny Anosy, Mahamasina, Ambohitsorohitra ary Andrefan’Ambohijanahary. Amin’ity herinandro ity dia ireo mpikatroka avy amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo indray no ho avy, hiofana eto an-drenivohitra, tahaka ny avy any Arivonimamo, Anjozorobe, Manjakandriana, Avaradrano sy Atsimondrano araka ny fanazavana azo ihany. Etsy ankilan’izay dia mbola mitohy hatrany ny fanentanana ireo mpikambana manerana an’i Madagasikara mba hijoro ary tsy hanaiky ny tsy rariny, olom-pirenena feno ny mpanao kung-fu, koa noho izany tsy maintsy maharaka tsara ny zava-mitranga amin’ny raharaham-pirenena ary mandray andraikitra ihany koa rehefa ilaina izany, hoy ny Maitre Avoko Rakotoarijaona.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.