Actualités

Maitre Avoko Olona matanjaka no mitazona ilay satroboninahitra


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Mitohy hatrany ny hetsika Masoandro Maraina. Tamin’ny herinandro lasa teo dia ny faritra Itasy sy Bongolava no notsidihan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona sy ireo mpiara-miasa aminy, ka nandalo sy nanao famelabelaran-kevitra tao Miarinarivo, Soavinandriana, Analavory, Tsiroanomandidy izy ireo.

 Zava-baovao indray no nambara tamin’ireo fihaonana ireo satria nilaza ny Me Avoko fa efa tsy misy tombam-bidy ho an’ny Malagasy intsony ny maha Gasy azy eto amin’ny taniny. Endrika fanosihosena ny hasina maha Malagasy antsika ny nangalarana ilay satroboninahitry ny mpanjaka teny Andafiavaratra raha ny fanazavany. Iny mantsy sisa no hany vavolombelon’ny tantara tena manamarika ny hasin’ny maha Malagasy sy hamantarana ihany koa ny mpanjaka, hoy ny Me Avoko.

Araka ny fanazavany ihany moa dia mbola endrika fanosihosena ny maha Malagasy ihany ny mety fanambarana hataon’ny fitondrana tetezamita amin’ny 26 jona ho avy izao fa hoe : hita ilay satroboninahitra, kanefa mety efa ny dika mitovy aminy na «copie» io hapoitra io, fa tsy ilay tena izy. Ny Maitre Avoko moa dia efa nilaza nandritra ny fampianarany fa ny Frantsay no nanapa-kevitra fa atao 26 jona ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovanatena eto Madagasikara, mifanandrify indrindra amin’ny daty niorenan’ny fikambanana Franc-Maçon iray malaza any Frantsa izy io, ary natao indrindra mba hahafahan’ny Frantsay mifehy ny Malagasy sy an’i Madagasikara araka izay tiany. Ny herin’ny maizina no manjaka amin’izany, araka ny fanazavan’ny Maitre Avoko ihany.

Nisarika ny sain’ny olona ry zareo avy ao amin’ny hetsika Masoandro Maraina fa rehefa baomba sy ny manohintohina ny fitondrana dia mailaka sy mahita ny miafina ry be galona, rehefa vazaha no misy manafika sy mamono dia ahetsika daholo ny manampahaizana rehetra ; fa rehefa mahakasika ny Malagasy ny zava-mitranga dia hamaivanina matetika, ary na dia mody tambazana vola be aza, izay mahita ilay satroboninahitra, dia hita sy tsapa fa mety ho tanteraka ihany ilay vinavina amin’ny hivoahan’ny dika mitovy aminy, mba tsy hampiraika ny Malagasy intsony satria, mety efa any am-pelatanan’ny matanjaka ilay tena izy.

Ho an’ny hetsika Masoandro Maraina, tarihan’ny Maitre Avoko, dia olona manana tanjona manokana mihitsy no nangalatra ny satroboninahitry ny mpanjaka teny Andafiavaratra ny fiandohan’ny desambra 2011 ary olona matanjaka sy mahafantatra tsara ny fomba amam-panao no mitahiry ilay satroboninahitra amin’izao fotoana, dia manana tanjona mazava io olona io. Manaitra ny olona mba handinika ny tantara sy handalina ny zava-misy ny hetsika Masoandro Maraina, ka izany no mahatonga ny fisian’ny fampianarana ny tantaran’i Madagasikara mialoha ny famelabelaran-kevitra. Amin’izy ireo mantsy dia tsy azo ekena ny hoe vahiny no iankinana amin’ny famahana ny krizy, na hibaiko ny mpitondra amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy azo ekena ihany koa ny fangalaran’ny vahiny ny harena misy eto, ary toherina ny fanaovana ramatahora amin’ireo sahy maneho hevitra ka milaza ny marina rehetra. Faritra 5 hafa indray moa no hanohizan’ny Masoandro Maraina ny fitetezam-paritra ataony amin’ity volana mey ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT