Miantso ny vahoaka ho tony ny Maitre Avoko manoloana ny toe-draharaha isan-karazany nitranga tato ho ato izay.
Raha mandinika tsara isika dia tsy misy olom-baovao ireo mpanao politika mandrebireby ireo fa olona efa zatra manakorontana eto amin’ny firenena ary efa nitondra maharitra teto Madagasikara, hoy izy tamin’ny fanambarana nataony omaly. Efa nampitondra faisana ny vahoaka Malagasy tamin’ny fotoana nitantanana ny firenena izy ireo. Tokony ho efa mahay maka lesona amin’ny krizy nifanesy teto amin’ny firenena ny rehetra. Hafatra tsotra no nomeny ny mpanao politika dia ny hoe : miandrasa ny fifidianana amin’ny 2018 ianareo fa aza mamendrofendro sy mampihorohoro vahoaka lava izao. Manamafy hatrany koa izy fa mitohy ny fanomezan-tanana ataon’ny kung fu amin’ny mpitandro ny filaminana ho fametrahana ny fandriampahalemana manerana ny nosy ka tafiditra ao anatin’izany ny « Auto défense locale » izay nambarany fa efa nahitam-bokany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.