Nampiantso mpanao gazety sy ireo vondrom-pikambanana ary fiarahamonim-pirenena misy ao Toamasina, ny “Maison de projets”, nanaovany tatitry ny fanadihadiana nataony ny 06 mey, mikasika ny fiantraikan’ny fandaharan’asa goavana amin’ny fitrandrahana ny harena ambanin’ny tany, eo amin’ny fampandrosoana sy ny sosialy ary ara-toekarena ny faritra.
Ny Tetikasa Ambatovy ao Tanandava sy ny orinasa MainLand Ltd any Soanierana Ivongo, no niompanan’ny adihevitra nandritra io fakana ny hevi-bahoaka io. Vokatr’izay no nahatonga azy ireo nilaza fa “mila apetraka haingana ny satan’ny fitrandrahana ny harena ambanin’ny tany, fa lasa mpitazana fotsiny ny vahoaka sy ny mponina”. Nambaran’izy ireo ihany fa ao anatin’izay sata manokana izay no tsy maintsy hametrahana fa “ny 20% farafahakelin’ny vola miasa ao anatin’ireo orinasa dia an’ny fanjakana Malagasy hanamorana ny fanaraha-maso rehetra tokony hatao, ny fanomezan-danja ny maha olona sy ny tsy maintsy handraisana farafaharatsiny ny 50%-n’ny mpiasa miasa sy ny asa atao rehetra ao amin’ny faritra na faritany hiasany ary ny fametrahana ny 01% ny tombombarotra azon’ireo mpitrandraka ireo nanaovana tahiry manokana momba ny tontolo iainana”.
Takian’ireo mpikambana eo anivon’ny “Maison de Projets” izany ny hijerena sy hanavaozana ny fifanarahana vita tamin’ireo orinasa mitrandraka sy miorina eto Madagasikara ireo, mba hanatsarana ny zava-tsy nety hatramin’izay. Raha ny ao Ambatovy ireo, dia tsy tokony ho ao Toamasina II no apetraka ireo tany avy nakana nikela sy kobalta, fa tokony haverina any Moramanga, hanaronana ilay tany nolavahana. Ho an’ny orinasa MainLand Ltd kosa, dia ny tsy fahazoana misava ireo kamiao mitondra ny fasimainty sy ny zirconium avy any Soanierana Ivongo no tsy mazava. Fantatra anefa fa faritra be harena ambanin’ny tany sy fandalovan’ny trafikana andramena iny faritra iny. Tsy hijanona hatreo anefa ny hetsiky ny “Maison de Projets” fa hisy ny fanazavana manaraka, ary miara-miasa akaiky amin’ny Green Peace koa izy ireo ankehitriny, ankoatra ireo vondrona anatin’ny ranomasimbe Indiana efa mpiara-miasa aminy hatramin’ny taona 2010 nijoroany tao Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.