Roalahy maika handova ny fananan’ireo nahitany masoandro no nahavita nandratra ny tarehin-dRainy
tamin’ny antsy sy nandrahona ny hamono azy tany Soavinandriana, Faritra Itasy, andro maromaro lasa izay. Tsy nahatanty izany ity farany ka nitory ireo zanany roalahy ireo, izay fantatra fa efa mpanao herisetra amin-dRainy.Mbola tratra nifoka rongony ihany koa izy roalahy ireo tamin’ny fotoana nakan’ny pollisy azy tao an-tokantranony. Rehefa niakatra fampanoavana anefa ny raharaha dia fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika izy roalahy. Mahay mafy ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha araka izany ity Raim-pianakaviana ity. Ahiana mety hahavanon-doza aminy mantsy ireo menaky ny ainy raha mitohy izao.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.