Actualités

Mahery Lanto Manandafy Hiakatra fitsarana eny Anosy anio


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Ny 30 septambra 2022 teo no natao famotorana teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka ana habaka na cybercriminalité ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera,

Mahery Lanto Manandafy, rehefa notoriana teratany vahiny antsoina hoe Olivier Blancard noho ny resaka fanalam-baraka ity farany ho mpamatsy bala ireo dahalo eto amin’ny firenena, raha tsiahivina. Notononiny tao ihany koa fa teratany malagasy antsoina hoe Solondraibe Arthur Botomanonga, izay polisy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika tamin’izay no mpiara-miasa amin’ity teratany vahiny ity. Ny andron’iny 30 septambra iny ihany moa dia avy dia nidiana teny Antanimora I Mahery Lanto Manandafy na Malama. Taty aoriana dia niaraha-naheno sy nahita ny fiaikena avy amina mpitandro filaminana samihafa mikasika ny resaka fiparitahana basy tsy ara-dalana sy ny fahasahian’ireo olon-dratsy mifampitana tsy am-pihambahambana amin’ireo mpitandro filaminana mihitsy noho ny fananan’izy ireo fitaovam-piadiana raitra. Maro ihany koa ireo mpitandro filaminana namoy aina vokatr’izany fifandonana izany. Sesilany hatrany ny antsoantso nanoloana izany, na avy amin’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana io na mpanohitra fitondrana hoe “Avoahay I Malama!”. Vao tamin’iny herinandro lasa iny indray no nanamafy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria eto amintsika, Serge Gellé, fa tena misy tokoa izay fiparitahana fitaovam-piadiana eto amin’ny firenena izay. Fanontaniana nipetraka ary mbola mipetraka hatrany ny hoe tsy ny fanadihadiana mikasika izany ve no tokony natao vaindohan-draharaha teto amin’ny firenena nialohan’ny fanidiana am-ponja an’I Malama? Efa mba nanaovana fanadihadiana ve ilay teratany vahiny? Vetivety dia vita ny famotorana an’I Dr Ketakandriana Rafitoson, izay tale mpanatanteraky ny Transparency international, raha sahy nilaza fa ahiahiana ho feno kolikoly avo lenta ny fandraharahana Litchi eto Madagasikara. Na ny fampakarana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana aza nijanona rehefa mafy dia mafy ny tsindry iraisampirenena nahazo ny fanjakana malagasy noho ny filingilingian’ny fanjakana malagasy nikitikitika ity tomponandraikitra amina sehatra iraisampirenena ity. Nanararaotra niteny ny sehatra iraisampirenena izay niaro azy moa ny naman’I Malama sasany hoe fa maninona no dia tsy mba nanao fanambarana toy izao koa ianareo tamin’ny raharaha Malama? Ankehitriny izany dia hiakatra fitsarana ihany ny raharaha Malama amin’ity anio 28 novambra 2022 ity rehefa notanana am-ponja nolazaina fa “vonjimaika” tao anatin’ny 2 volana latsaka kely. Mety ho nisy tsindry mafy be tokoa ve nahatonga ny fanapahan-kevitra? Miandry ny rehetra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT