Actualités

Mahazoarivo Namono olona indray ny polisy


  • Alarobia 28 Martsa 2012

Vono olona nahatsiravina indray no nitranga teny Mahazoarivo akaikin’ny Lapan’ny Primatiora ny alin’ny alatsinainy 26 martsa tokony ho tamin’ny 11 ora. Polisin’ny FIP no nahavanon-doza.

 Mitranga izany telo volana taorian’ny raharaha Toliara, namonoana andiana polisy, mpitsara Rehavana Michel, ny 9 desambra 2011. Vehivavy iray, mpampianatra, 25 taona, sy lehilahy iray sakaizany no niharan’ny habibiana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny polisin’ny BC mandray an-tanana ny raharaha, niara-nisotrosotro tao an-tranon’ilay ramatoa ry zareo ny maraina mandrapahariva ny andro. Niverina ilay Polisy nony alina ary nitondra basy ka nanatanteraka ny teti-dratsiny. Vadin’ilay mpampianatra teo aloha ity polisin’ny FIP ity ary niterahany zaza herintaona latsaka. Miara-mipetraka amin’ilay vehivavy ny zandriny vavy izay nahita ny tranga. Afa-nitsoaka io ary nampilaza ny Fokontany. Ireto farany indray no nilaza ny mpitandro ny filaminana. Omaly tamin’ny 5 ora maraina, rehefa nosokafana ilay trano dia ny vatana mangatsiaka roa mihoson-dra no niampatra tao an-trano, hitan’ny mpitandro filaminana sy ny Fokontany. Voatifitra teo amin’ny foto-tsofiny, ary maty teo am-pandriana ilay lehilahy, raha voatifitra teo amin’ny lohany ary nihohoka tamin’ny tany kosa ilay vehivavy. Ilay zaza kosa dia nosintonina teo am-pandriana izay velona soa aman-tsara.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT