Mahavelona Foulpointe

> Anjakan’ny vaky trano, fanendahana, fanolanana


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Milamindamin-dratsy ny tampon-tanŕnan’i Toamasina tato ho ato amin’ny asan-jiolahy mitam-piadiana.

Araka ny angom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nifindra any Mahavelona Foulpointe ireo jiolahy ka tao anatin’ny volana aogositra, dia nirongatra ny vaky trano izay ahitana tranga iray isan’andro sy ny sinto-mahery ka lasibatra amin’izany ireo mpiala sasatra. Eo koa ny halatra mitam-piadiana izay mazàna miafara amin’ny fanolanana ireo zazavavy sy tovovavy ary ireo vehivavy tratran’ireo jiolahy ao amin’ny toerana idirany hatrany anaty “bungalow”. Nidina tany Mahavelona Foulpointe ny Emmo-Reg nisambotra ireo andiana jiolahy. Roa no sarona niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasany, nanamora ny fisamborana azy ireo ny orinasa Telma tamin’ny fampahalalana ny misy azy ireo tamin’ny alalan’ny fampiasan’izy ireo ny findainy. Tsy mahagaga io satria dia Kioska M-Vola miisa 05 no lasibatry ny jiolahy tao anatin’ny iray volana izao, ka nahaverezana vola am-polony tapitrisa Ariary. Nomarihan’ny lehiben’ny fampanoavana ambony amin’ny fitsarana ambony Toamasina fa fepetran’ny fitsarana Toamasina fa avy hatrany dia famonjana vonjimaika ny sazy vonjimaika atao ho an’ireo andian-jiolahy tratra mikasika ny tsy filaminana mitranga ankehitriny ireo.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT