Actualités

Mahatony Sylvain “Maizina tanteraka ny fiainanay tantsaha”


  • Zoma 27 Jolay 2012

Tsy misy torimaso noho ny asan-dahalo any aminay any Morondava any, hoy Atoa Mahatony Sylvain.

 Mpanao politika avy any an-toerana izy saingy monina eto an-drenivohitra noho ny fitadiavana ary nilaza ho SDF na olona tsy manan-trano raikitra fa mivezivezy etsy sy eroa. Nony tonga teto Antananarivo anefa aho dia mbola poa-basina miaramila indray no henoko raha mba nanantena filaminana. Izaho dia zanaka tantsaha hiringiriny, saingy mba nahita fianarana kely ka tafakatra an-drenivohitra. Ny anay tantsaha dia tsy hainay ny manavaka ny mpiasam-panjakana sy ny mpitondra fanjakana. Ianareo mpiasam-panjakana ireo mantsy no velomin’ny tantsaha amin’ny herin-tsandriny iray manontolo. “Velombolo anefa izahay satria mahatsiaro tena ianareo mpiasam-panjakana fa  tsy noho ny asan’ny any anaty ala any fa vokatry ny asam-panjakana no mampisy ny haratsiana rehetra ankehitriny izao”.

Krizy ny fiainana ary ampahafantarina anareo, hoy i Mahatony Sylvain, fa sahirana ny vahoaka ka any an-tany lavitra any mbola misy ny mieritreritra fa i Didier Ratsiraka no mbola filoham-pirenena  ary mbola misy ny manontany hoe : mbola velona any ve i Philibert Tsiranana ? Hatreto dia tsy misy vola tena miverina any amin’ny tantsaha izany ka ahitana tombontsoa mivantana fa mbola ny zava-bitan’ny vazaha taloha ihany ireo tena misongadina ireo. Ny haremben’ny firenena anefa miha manjavona, hoy i Mahatony Sylvain. Tsotra ny vahaolana amin’izany rehetra izany, hoy izy, dia ny fiverenana amin’ny toetra fahagola, mifameno sy mifanampy fa ny firaisana no hery. Izahay efa vonona hatry ny ela fa ianareo no mbola nisaratsara-kevitra, hoy i Mahatony Sylvain namarana ny teniny.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT