Actualités

Mahamasina Saika lasan’ny jiolahy ny «Versement» an’ny Gerb’or


  • Talata 08 Martsa 2011

Vola iray sakaosy izay tokony haterina eny amin’ny banky no nataon’ny jiolahy mitaingina moto lasibatra, omaly, amin’ny andro atoandro be nanahary. Roa lahy izy ireo no nanatontosa ny hetsika.

Tsikaritry ny olona anefa io teti-dratsy io, ka tsy tontosa hatramin’ny farany. «Efa azon’izy ireo ihany ilay sakaosy saingy teo am-pamelomana ny moto izay tsy nety velona ry zalahy no nosamborin’ny olona. Samy nifandrimbona teo ny tsirairay namely ka tsy afa-niala ireo olon-dratsy. Tsy nisy fitaovam-piadiana rahateo tany aminy ka nanamora ny fisamboran’ny olona izany» raha araka ny fitantaran’ny olona izay nahita teny an-toerana. Ny mahatalanjona dia ny fomba nahafantaran’ireo jiolahy ny ora hivoahan’ilay sakaosy misy vola sy ny olona mitondra azy. Matetika dia misy hatrany ny firaisana tsikombakomba amin’ny toe-javatra toy izao. Anjaran’ny polisin’i Mahamasina izay nisambotra sy nanokatra ny fanadihadiana no mijery akaiky an’izany...

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT