Actualités

Mahamasina Mba fihetsika hafahafa kosa


  • Alarobia 27 Jona 2012

Niteraka resabe ny fihetsika nasehon’ireo manampahefana sivily sy miaramila mpitondra ny tetezamita tetsy Mahamasina nandritra ny fampisehoana tafiditra tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena.

 Nankinina tamin-dRossy ny fikarakarana azy io ka tarika miisa 27 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, mivoy gadona samihafa, no voalaza fa nampifandimbiasina nakarina sehatra. Tonga teny Mahamasina i Andry Rajoelina mivady, ny praiminisitra Omer Beriziky mivady sy mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemantany ary koa Parlemanteran’ny tetezamita miara-dia an’i Andry Rajoelina. Ny nanaitra anefa dia raha nilaza i Rossy fa hakarina an-tsehatra ireo tarika avy amin’ny Faritra dia nanomboka nitsaitsaika niala an’i Mahamasina ireo manampahefana ireo dia natsahatra niaraka tamin’izay koa ny fampitana mivantana ny lanonana tamin’ny TVM. Fihetsika mampieritreritra ihany, indrindra raha miohatra amin’ny lohahevitra nitondrana ny fankalazana hoe : firaisankina antoky ny fampandrosoana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT