Manoloana ny zava-misy eny amin’ny torapasik'i Mahajanga amin’izao fotoam-pialantsasatra izao, izay hita niparitaka
tamin’ny tambanjotra serasera samihafa dia nisy ny fanambarana sy fanazavana avy amin’ireo tomponandraikitra eo anivon'ny kaominin’I Mahajanga renivohitra sy ny fiadidiam-paritry ny fanajariana ny tany ao an-toerana omaly. Tsy an'olon-tokana ny torapasika fa tafiditra ho isan'ny tanim-panjakana tsy azo amidy, hoy ny fampahatsiahivan’izy ireo. Tsy azo sakanana ireo mpitsidika te hamelatra ny elony sy izay ilainy eny. Miantso ireo mpisehatra ao anatin'ny fanofana ireny elo ireny , mba tsy hanararaotra amin'ny hofany mihoapampana, hoy hatrany ny fanazavana.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.