Actualités

Mahajanga Renivohitra Nitokona ny taksibe


  • Talata 15 Mey 2012

Raha fanairana am-bava fotsiny ny fitokonana nataon’ny mpitatitra teto an-drenivohitra dia nampihariny ny tao an-drenivohitr’i Mahajanga tao.

 Tsy niasa ireo taksibe tany an-toerana. Voatery nandeha an-tongotra ireo mpiasa. Tsy afa-nianatra ireo ankizy mpianatra alavitra toeram-pianarana. Nimenomenona ireo ray aman-dreny nanatitra ny zanany. Nanararaotra koa anefa ireo fitaovan-pitaterana toy ny posy sy posy bisikileta misy any an-toerana. Lasa avo roa na telo heny ny saran-dalana. Ankoatra izay dia mbola mikatso ny fampianarana ao amin’ny Lycée Philibert Tsiranana sy ny Ceg Charles Renel. Ny antony dia ao ny Sempama manohy ny fitokonany, ao koa ny tsy fahafahan’ny mpianatra mpianatra mamonjy sekoly noho ny halaviran’ny toerana noho ny fitokonan’ny mpitatra. Manaitra ny fanjakana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra any an-toerana.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT