Actualités

Mahajanga Nisahotaka ireo mpitsara BEPC


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Savorovoro ny fanombohan’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana BEPC tao amin’ny foibem-pitsarana lisea Philibert Tsiranana - Mahajanga ny zoma teo. Maromaro tamin'ireo mpampianatra tokony hitsara fanadinana no tsy tonga

 

. Eo ihany koa ny toromarika avy amin'ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nilatsaka ny marainan’io zoma io namaritra fa tsy maintsy miverina miasa ny sabotsy sy ny alahady ireo mpitsara ireo hanenjehana ny fivoahan’ny voka-panadinana amin’ny 30 jolay, raha roa herinandro eo ny faharetany fotoam-pitsarana ny taratasim-panadinana BEPC hatramin'izay. Manampy trotraka ny tsy mbola nahazoan'ireo mpampianatra ny tambin-karamany hatramin'ny taona 2013 nandritra io fitsarana ny BEPC io. Antony iray heverina ho anisan’ny tsy nahatongavan'ireo mpitsara maromaro hanao izany tamin'ity taona ity. Nangataka ny fanatevenan-daharana ireo mpitsara moa ny lehiben'ity foibem-pitsarana ity, saingy ho sarotra izany noho ny tsy fahampian'ny tetibola handoavan'ny fanjakana ny tambin-karaman’izany, hoy ny fanazavana.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT