Manoloana ny raharaha izay nanenjehan’ny Bianco mpiasa roa ao amin’ny Kaominin’i Mahajanga, noho ny hosoka, dia nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna ny mpomba ireo mpiasan’ny Kaominina ireo mitaky ny hanakatonana tsy misy hatak’andro ny biraon’ny Bianco ao Mahajanga. Manome 48 ora ny tompon’andraiki-panjakana ireo mpitokona handraisana andraikitra amin’ny fitakiana ataon’izy ireo. Nakaton’izy ireo ny biraon’ny Kaominina miandry io fe-potoana nomeny io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.