Actualités

Mahajanga Lasa fanaovan-danonana ny kianjan’ny tsipy kanetibe


  • Talata 16 Aogositra 2011

Tezitra sy diso fanantenana tanteraka ireo mpilalao tsipy kanetibe fa tsy afaka nilalao ara-dalŕna teo amin’ny kianja filalaovany mahazatra manoloana ny sekoly Notre Dame sy Saint Gabriel izy ireo nanomboka ny faran’ny herinandro teo.

 Lasan’ny vondrom-pivavahana mitory filazantsara ny toerana ary nodimbiasan’ny fetin’ny THB Tour izany ny ampitson’iny. Nihafihafy tamin’ny ambin-toerana ireo mpilalao tsipy kanetibe vokatr’izany. Nipongatra amin’izay ny resaka isan-karazany, toy ny hoe aiza moa ny mpitondra ny ligy amin’ity fisehoan-javatra ity e ? Tena voazimbazimba ity taranjantsika ity kanefa io ihany no mba sehatra mampalaza an’i Madagasikara manerantany, hoy ny sasany. Voalaza tamin’ny haino aman-jery moa fa tsy azo hanaovana fety intsony ny eny amin’ny «bord de la mer» manomboka izao ary afindra etsy amin’ny toerana manoloana ny sekoly Notre Dame sy Saint Gabriel ny lanonana sy hetsika ara-javakanto rehetra, araka ny lalàna navoakan’ny Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga.

Marihina fa amin’ny ampahan’ity toerana ity no misy ny kianja filalaovan’izy ireo hatrizay ka nivoahan’ireo mpilalao kalaza manerantany ankehitriny toa an’i Carlos sy i Vazaha. Kivy sy ketraka ireo mpilalao tsipy kanetibe izay an-dalam-panomanana tanteraka amin’ny fiatrehana ny amboaran’i Madagasikara hotanterahina any Antsirabe amin’ity faran’ny herinandro ity. Nahatsiaro kamboty sy resy tanteraka ireo mpilalao kanetibe vokatr’izany. Araka ny fantatra dia hisy hetsika hafa misesy eo amin’ity toerana misy ny fanaovana tsipy kanetibe ity mandritra ny volana aogositra manontolo. Tsy lavina fa mila vola ny tanàna kenefa tokony homena ny anjarany ihany koa ny spaoro izay fialamboly tsara, aro riaka amin’ny fidorohana sy ny filibana isan-karazany, indrindra amin’izao fotoanan’ny vakansy izao. Marihina fa efa kianja fanaovana fanatanjahantena telo izao no efa lasa toerana nanaovana raha hafa ao Mahajanga. Antony iray anisan’ny mampijotso ny vokatra ara-panatanjahantena ao Mahajanga ity tranga ity. Raha mitohy izao dia angamba voasarika amin’ny filibana sy ny hadalana ny rehetra. Iza no homena tsiny amin’izany ?

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT