Ila-tongotra vehivavy iray no hitan'ny fokonolona teny amoron-dranomasina tao Mahajanga omaly talata 29 martsa.
Raha araka ny fantatra dia tongotra vehivavy iray marary tratry ny homamiadana tsy maintsy notapahana io tongotra io ka tsy sahin'ny havany nalevina. Amin'ny ankapobeny mantsy dia fady ny mandevina ratsam-batana tahaka ireny indrindra raha mbola velona ilay tompony. Tokony hisy hatrany araka izany ny toerana hametrahana ireny ratsam-batana voatery notapahana ireny eny anivon'ny hopitaly hisorohana ny fanariana azy fahatany tahaka izao. Nisy nanitrika tao ambnay vato moa ity ilan-tongotra ity.
Nangonin' i Pati
Legende : tahaka izao ny fomba nahitana ilay ilan-tongotra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.