Ankoatra an’i Toamasina dia anisan’ny tanŕna iray hifanotofan’ny mpiala sasatra amin’izao fotoam-pialantsasatra lehibe izao i Mahajanga.
Efa saika feno avokoa ny ankamaroan’ireo trano fandraisam-bahiny any an-toerana. Tsy misy intsony ireo mandray famandrihan-toerana raha mbola azo natao ihany izany teo aloha. Toraka izany koa ireo karazana trano miofa toy ny EPP izay hahafahan’ireo fianakaviana mahandro sakafo toy ny any an-trano mihitsy tsy ilana hotely intsony. Vokany, tsy vitsy ireo voatery mipetraka amin-kavana na olom-pantatra. Antony tena hitiavan’ny mpiala sasatra an’i Mahajanga, raha ny fanadihadiana natao ny fiovan’ny endriky ny tanàna ankoatra ny fahadiovan’ny rivotra. Anisan’ireny ny Bord de la mer izay nasiana fotodrafitrasa miavaka hahafahan’ny ankizy madinika milalao sy miala voly. Tsy latsa-danja amin’izany ny fahatongavan’ireo karazana soavaly avy any Antsirabe mitondra ireo olona te hitaingina manodidina ny tanàna sy eny amoron-dranomasina. 1.000 Ar no sarany ho an’olona iray izay tena mandeha sy hahazoana vola tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.