Actualités

Mahajanga Hanjavona ny «Village Touristique»


  • Alakamisy 24 Febroary 2011

Miteraka resabe ao Mahajanga ankehitriny ny amin’ny hanatanterahana ilay hopitaly manara-penitra nampanantenain’i Andry Rajoelina, fa haorina isaky ny renivohi-paritany.

Toliara, Antananarivo ary i Toamasina no efa nametrahana ny vatofehizoron’ny asa fanorenana. Hitohy any Mahajanga sy Fianarantsoa ary Antsiranana izany, ankoatra ny ao Morondava, Maintirano ary Manakara. Ny tany hanorenana io hopitaly vaovao io dia efa mametraka olana, indrindra amin’ny tanora ao Mahajanga. Ilay fotodrafitrasa ara-panatanjahantena efa somary antitra, antsoina hoe “gradin”, no hanorenana azy io ao an-toerana. Araka izany, toerana fanaovan’ny tanora fanatanjahantena izy io, ary fanaovana fanabeazana ara-panatanjahantena ihany koa. Ankoatra izay, mifanila aminy eo ny “Village Touristique”.

Araka izany anarany izany, dia toerana falehan’ny mpizahatany tonga ao Mahajanga izy io, eny fa na ny mponina ao an-toerana aza betsaka no mitsangantsangana eo, mankafy ny torapasika amin’io toerana io. Raha raikitra anefa ka eo amin’ny “Gradin” ihany no haorina ilay hopitaly manara-penitra dia hivarina eo amin’ny “Village Touristique” ny rano maloto mivoaka avy ao amin’ny hopitaly. Hitarika fandotoana ity toerana ity izany, ary dia hampihemotra ny mpizahatany ho avy any an-toerana. Hanjavona amin’ny saritany manaraka ho azy eo koa ny “Village Touristique” anisan’ny reharehan’ny tanàna.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT