Mahajanga

> Mijoro ny fikambanan’ny mpiasam-panjakana ambony ho amin’ny fampandrosoana


  • Zoma 21 Febroary 2014

Nitsangana ao Mahajanga, ny fikambanan’ny Mpiasam-panjakana ambony ho an’ny fampandrosoana ny faritra Boeny. Tekinisianina avokoa ny mpikambana ka volavolana tetikasa avy hatrany no harosony.

Tonga nampahanfantatra ny Lehiben’ny Faritra Boeny ny fitsanganany sy ny antom-pisian’ny fikambanana A.C.D.R.B na “Association des Cadres pour le Développement de la Région Boeny” ireo mpikambana rehetra ao aminy, notarihin’ny filohany, Atoa Rakotovao Roland, talem-paritry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Boeny ny talata 18 febroary teo. Talem-paritra sy lehiben’ny sampandraharaham-paritra misolotena minisitera avokoa ny ankabeazan’ireo mpikambana izay miisa 25 hatreto.

Hampandroso ny faritra Boeny eo amin’ny lafiny toekarena no tanjony ka ho fanombohana dia ny famolavolana tetikasa momba ny angovo azo havaozina eto amin’ny Faritra no ataon’izy ireo vaindohan-draharaha. Tsapan’izy ireo fa anisan’ny olana fototra nampikatona ireo orinasa lehibe toy ny SOTEMA, FITIM, ary mampihozongozona ireo orinasa hany mandeha ao Mahajanga, toy ireo mpanjono lehibe, ny halafon’ny vidin’ny herinaratra vokarin’ny Jirama Mahajanga izay hany loharanon’angovo any an-toerana, kanefa dia mihodina amin’ny alalan’ny solika. Velombolo ny Lehiben’ny faritra Saïd Ahamad Jaffar satria fikambanana mitsangana ho amin’ny fampandrosoana, hoy izy fa tsy ho an’ny ady seza na tombontsoa manokana. Noho izany, ho moramora ny famoronana sy fanatanterahana ny tetikasam-pampandrosoana. Nomarihiny fa mifanojo indrindra amin’ny fanomezana aina ny toekarena aty Boeny izao. Mialoha izay, dia hanatanteraka fambolen-kazo ao Marohogo ny fikambanana A.C.D.R.B rahampitso sabotsy 22 febroary.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT