Nidina an-kianja tetsy amin’ny Magro Behoririka i Mahafaritsy Samuel ny sabotsy teo, nijoro vavolombelona amin’ny lalana nodiavin’ny fianakaviana Ravalomanana.
Zanak’ambanivohitra ny tenako, hoy ity masovoiho malagasy tany Alzeria ity, ka mahalala tsara izany. Manoloana ny fihetsiky ny iraisam-pirenena ankehitriny, dia notsiahivin’i Mahafaritsy fa i Madagasikara dia mpikambana amin’ireny sehatra iraisam-pirenena milaza fa hanasazy antsika ireny ka noho izany dia tompony koa isika ka tsy azo baikoina toy ireny satria manana fiandrianam-pirenena. Maninona moa ny CES izay fitsarana Malagasy no vahiny no hibaiko azy ?
Na izany aza dia nilaza i Mahafaritsy Samuel fa mety tsara ihany raha samy hafa ny filohan’ny HCC sy ny CES mba hananan’ny CES fahaleovantena kokoa. Nanipika mazava anefa i Mahafaritsy Samuel fa tokony hitohy ny asan’ny CES fa tsy miverina satria raha misy mpitsara iray nijanona amin’ny asany tsy nisy izany hoe iverenana jerena avokoa ny didy noraisiny. Koa rehefa neken’ny CES fa kandidà i Neny dia kandidà foana izy ary marihiko fa ny tany nandalovan’i Neny dia babony avokoa, hoy i Mahafaritsy.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.