Actualités

Magro Behoririka Hanao fampisehoan-kery amin’ny sabotsy


  • Alakamisy 18 Jolay 2013

Miomana hanao hetsika goavana ny ankolafy Ravalomanana amin’ny sabotsy 20 jolay izao. Tsy mbola nampahafantarina ny andinindininy sy ny mety ho endriky ny hetsika, fa ny hany fantatra hatreto dia ho ao amin’ny Magro Behoririka, toerana efa mahazatra azy ireo no ho ambohipihaonana.

Mety ho amin’io koa no hitondran’ny ankolafy Ravalomanana fanazavana sy valinteny mikasika ireo fanontaniana maro manitikitika ny mpiara-dia amin’izy ireo manoloana ny fanerena ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ny hisintahan’ny kandida telo, ka anisan’izany i Lalao Ravalomanana. Nilaza i Fanomeza fa dia “hetsika goavana io amin’ny sabotsy io”. Nanampy fanazavana koa i Zafilahy Stanislas, omaly, tetsy amin’ny Magro, fa “hanehoana amin’ny iraisam-pirenena io sabotsy io fa mila Ravalomanana ny tany ka hiteraka olana ny fanilihana an’i Neny”.

Tsy manao bontolo isika, hoy hatrany i Zafilahy Stanislas fa manaja lalàna. Notsiahiviny fa ny GIC-M araka ny tolokevitry ny Frantsay (OIF) no nametraka ny CES tamin’ny alalan’ny tondrozotra, koa nahoana no rehefa anaty lisitry ny kandida i Neny dia ovaina indray ny CES ? Hentitra ny tenin’i Zafilahy : “apetraho ny CES vaovao fa ny didy efa nivoaka tsy azo ivalozana ary tsy misy afaka manala an’i Neny ary i Neny koa tsy mihemotra izany”. Fanamasahana ny hetsika amin’ny sabotsy io no hisongadina manomboka izao.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT