Magro Behoririka

> Niakatra alahady manohitra ny fanilihana an’i Neny


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2013

Mafana ny tontolo politika toarian’ny nanovan’ny CES ny lisitr’ireo kandida hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo, ka nanilihany miisa kandida valo ve izao.

Nitohy andro alahady mihitsy ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka rehefa nahalala fa nailiky ny CES ny kandida Lalao Ravalomanana. Tsy hanaiky izany mihitsy, izahay any Vaingandrano, hoy ny CT Donazy raha tsy i Neny no kandida. Rehefa izay dia nampiomana ireo mpiaradia aminy izy hivonona amin’ny tolona mafimafy kokoa. Niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana tao amin’ny Magro koa omaly ny solontenan’ny GTT Iraisam-pirenena, nilaza fa tonga angamba ny fotoana hialan’ny ankolafy Ravalomanana ao anaty tetezamita. Ady amin’ny fahafahana ity, hoy izy ireo ka mila miray hina.

Nanamafy izay ny tenin’ny CT Randriamamizafy Ignace, izay nampahatsiahy fa efa ho roa taona izao no nahavitan’ny tondrozotra. Tany miverina amin’ny ara-dalana no niezahana kanjo dia niverina ho zanatany indray izao i Madagasikara. Aoka isika samy hahatsapa tena, hoy izy, inona no vitantsika? Miandry fanapahan-kevitra ao anatin’ny 4 andro ny tenako, hoy ny CT Ignace ary hiafara amin’ny fialako izany. Fa nisarika ny sain’ny mpiara-mitolona aminy kosa ny CT Raveloson Constant, ka nametra-panontaniana fa raha hiala anefa dia inona no hatao? Malagasy an-tapitrisany izao hoy izy no verezin-jo. Raha mbola mitohy anefa izao tetezamita izao dia mitohy ny fahasahirana ary zaza anetsiny no tsy hiditra an-tsekoly. Hanao fanambarana ny ankolafy Ravalomanana amin’ity anio ity ka ho hita eo ny tohiny.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT