Magro Behoririka

> Nailika i Neny, rava ny tondrozotra


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013

Mbola nofinofy ny hisian’ny fitoniana politika eto ary sarotra ny hanatanteraka fifidianana ao anatin’izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao, indrindra taorian’ny nikitihan’ny CES ny didy navoakany ka namoahany lisitra kandida filoham-pirenena vaovao.

Miakatra ny feo avy amin’ireo mpomba ireo kandida nailiky ny CES teo ambony latabatra, nefa efa nisitraka ny zo maha kandida azy nandritra ny telo volana izay. Tsy hisy krizy hivaha eto raha tsy kandida i Lalao Ravalomanana ary mody i Marc Ravalomanana, hoy ny CT Iandro Robertson na Solamena tetsy amin’ny Magro omaly, ka aza manonofy fifidianana izany. Rehefa nailika i Neny dia rava ny tondrozotra no dikan’izay, hoy i Fidison nanampy. Tsy manana olon-kafa afa-tsy i Dada sy Neny izahay ary ireo no atokisanay fa hanavotra ny firenena, hoy ny tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Tsy manana laminasa hafa isika, hoy i Zafilahy Stanislas : eken’ny CES i Neny dia fidiantsika, tsy laviny dia isika no hametraka azy eo amin’ny fitondrana rehefa vita ny fanadinana bakalorea, satria Ravalomanana miverina eo amin’ny fitondrana no hanavotra an’i Madagasikara.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT