Ankoatra ny fitsarana an’I Mahery Lanto Manandafy na Malama etsy Anosy amin’ity anio ity dia ho tsaraina anio 28 novambra 2022 ihany koa ny raharaha Afakandro Christian, mpandraharaha fa mpampaneno lakolosy anaty
tambazotran-tserasera ihany koa. Ao amin’ny tribonalin’I Mahajanga indray no handeha izany raharaha izany, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Ny alin’ny 26 septambra 2022 teo no naiditra am-ponja I Afakandro Christian, izany hoe, 4 andro nialoha an’I Malama. Mbola maro hatramin’izao ireo mametra-panontaniana mikasika ny antony tena nitanana am-ponja ity mpandraharaha ity. Tsiahivina na izany aza fa hatramin’ny taona 2016 izy no voarohirohy tamina raharaha famotsiam-bola. Kandida solombavambahoaka tao Mahajanga I ny taona 2018. Isan’ireo mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera neverin’ny maro ho tsy mikoso-maso manoloana ny tsy rariny teto amin’ny firenena tamin’ity taona ity kosa anefa ny tenany. Ankoatra azy mirahalahy ireto moa dia mbola maro ireo sokajian’ny mpanara-baovao ho isan’izay mpampaneno lakolosy izay voatazona am-ponja hatramin’izao toa an-dry Stanley Ramarivelo, Bearinirina Marcellin, Kamarady Sento, Ramasomanana Ravo na Ravo Nambinina. Tsikaritra ho mafy tato ho ato ny tsindry iraisampirenena taorian’ny raharaha Transparency international – Initiative Madagasikara izay nanaovan’ireo firenen-dehibe sy rafitra iraisampirenena samihafa tambabe ny fanjakana malagasy farany teo. Mety misy hifandraisany amin’izany ve izao fitsarana mpampaneno lakolosy nipoitra tampoka izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.