Actualités

Mafanafana eny Ankatso Hanao “sit-in” ny SECES, miketrika fitokonana ny DEGS


  • Zoma 29 Aprily 2011

Niato ny fitokonana nataon’ireo mpianatra mpitsabo omaly fa miverina indray izany amin’ity anio ity. Mitaky ny famoahana ny datin’andro fanombohan’ny taom-pianarana vaovao moa ireto mpianatra ireto izay nampian’ireo zokiny ao amin’ny taona faha-7 sy faha-8.

Ireto farany indray dia mitaky ny hanomezana ny tambin-karamany hatramin’ny volana febroary. Rehefa tsy navela hanakatona ny vavahady fidirana ny oniversite ireo mpianatra mitokona tamin’ny alarobia teo dia ny lalana mihazo ny faritry ny oniversite indray no nobahanany ka tsy nisy navelany nandeha ireo fiara rehetra. Ho hita eo indray izay hetsika tontosain’izy ireo amin’ity anio ity, taorian’ny antso avo nataon’izy ireo tamin’ny mpianatra Ankatso mba hanatevina ny hetsika ataony. Tsy mbola nahenoana akony anefa izany antso izany hatreto afa tsy ny mpianatry ny Fakliote DEGS izay mampiantso fivorian’ny mpianatra ny 02 mey hanapahana hevitra momba io raharaha io. Etsy anilan’izay koa anefa dia hanao “sit-in” eo amin'ny Esplanade oniversite Antananarivo ny mpampianatra mpikaroka amin’ity zoma 29 aprily ity, manomboka amin'ny 10 ora maraina.

 
Yves
 

Sary : Mpitarika ny «Association pédagogique» Fakliote DEGS

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT