Actualités

Mafampana ny oniversite Efa nandoro trano ny mpianatra


  • Alarobia 27 Jolay 2011

Mafampana ary toa efa miandriandry fotsiny ny mpianatra ao amin’ny ambaratonga ambony ao Antsiranana sy Toliara amin’izao fotoana.

 Tao Toliara dia efa tena niatomboka tamin’ny fandorana trano iray mihitsy sy fakàna ombin’olona ny toe-draharaha afak’omaly. Ny antony dia noho ny fampiantsoana mpianatra roa eo anivon’ny oniversite mba hiakatra Codis. Rehefa izany dia nandeha ny fandrahonana fa hotazomina izy ireo, izay voalaza fa mpitari-tolona. Tonga teny anivon’ny mpianatra izay feo izay ka nahatonga an’ireo naneho ny tsy fahafaham-pony. Nanao fihetsiketsehana avy hatrany ireo mpianatra ary nodoran’izy ireo ny tranon’ny mpiambina ny oniversite Toliara. Nalainy ihany koa ny omby roa nompian’io mpiambina io. Hatreto dia mbola mafampana ary mampanahy mihitsy aza ny toe-draharaha. Tao Antsiranana indray dia nanome fe-potoana 48 ora, nanomboka omaly, ny mpianatra eo anivon’ny fakiolten’ny siansa sy ny tontolo iainana. Nangataka ihany koa izy ireo ny handefasana ny taratasin’izy ireo mahakasika ny drafitra LMD eny anivon’ny ministera tompon’andraikitra. Nanazava ireo mpianatra fa raha tsy hahitana vahaolana ao anatin’io fe-potoana nomeny io fangatahan’izy ireo ity dia hajanony ny fampianarana eo anivon’ny oniversite iray manontolo. Nahatezitra ireo mpianatra mantsy, raha araka ny voalaza, ny

tsy fikarakaran’ny tompon’andraikitra io dosie LMD io. Efa maro ny lalana izay narahin’izy ireo, raha araka ny fanazavan’ireo mpianatra teo anivon’ny haino aman-jery ao an-toerana, saingy tsy nahitam-bokany izany. Mafana ny toe-draharaha, oniversite roa any amin’ny faritra roa no indray mitokona…

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT