Actualités

MAF – kung fu Maneho ny tanjany


  • Talata 05 Martsa 2013

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ny antoko MAF (Madagasikara Afaka) tarihan’i Avoko Rakotoarijaona fantatra amin’ny Maitre Avoko.

 Tao Tsiroanomandidy no ambohimpihaonan’ny mpikatroka kung-fu miaraka amin’ny mpikambana MAF ny sabotsy 2 martsa teo noho ny fanokafana ny fankalazana ny faha-33 taona nidiran’ny haiady kung-fu teto Madagasikara. Nahatratra 4000 ireo mpikatroka nanatrika ny fotoana avy amin’ireo Kaomina manodidina toa an’Ambalanirana, Anony, Ambararatabe ary nanana solotena koa ny Distrikan’i Fenoarivobe. Natomboka tamin’ny filaharam-be namakivaky ny fihaonana ny fotoana ka niafara tamin’ny fivoriana tao amin’ny Tranobe Tsiroanomandidy. Tsy antonona ny efitrano moa ireo mpanatrika ka taty an-tokotany ny ankamaroany. Nazavain’ny Maitre Avoko nandritra ny lahateniny ny antom-pijoroan’ny Madagasikara Afaka. “Noho ny toe-tsaina tia fahamarinana, tia tanindrazana izay namolavolana ny tenako no naha tapakevitra ahy handray andraikitra ho an’ny firenena ary mahatonga ny filatsahako hofidiana filoham-pirenena”, hoy izy.

Efa maty paika ny drafi-pampandrosoana am-pelatanan’ny MAF izay azo sokajiana roa goavana. Voalohany dia ny fananganan’ny fanjakana “Tahiry antoka” na “fonds de garantie” any amin’ny banky ka izay tanora nahavita fianarana ary manana tetikasa mazava dia omena famatsiam-bola amin’ny alalan’io tahiry io. Izany no atao dia mba hisian’ny famoronana asa satria tsy tanora mpiasa no tarigetra fa tanora tompona orinasa araka ny fanazavan’ny filohan’ny MAF. Resy lahatra koa ry zareo fa ny fimasoana amin’ny fampiroboroboana ny vokatra ara-tsakafo no fototry ny fampandrosoana “Hitombo be ny isan’ny olona amin’ny taona 2030 ka izay firenena manana vokatra ara-tsakafo be indrindra no hatanjaka ka io tetikasa ara-pambolena io no tena hifotorana”, hoy ihany izy. Nanome baiko ireo mpikatroka kung-fu koa ny tenany hifanampy amin’ny vahoaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mampijaly tokoa ny valalabemandry na an-drenivohitra na ambanivohitra. Nasiany resaka koa ny fifidianana ho avy ka nilazany fa hihenjana ny MAF sy ny mpanao kung-fu ka hanara-maso akaiky ny fizotrany. Marihina fa tao Analavory indray ry zareo ny alahady ary tohizana amin’ity herinandro ity izany famangiana ny mpikambana izany. Nandray anjara tamin’ny voin-kava-mahatratra ho an’ireo mpiray tanindrazana any atsimo koa ity antoko ity miaraka amin’ireo mpikatroka kung fu.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT