Hatramin’ny alahady hariva teo no efa nandeha ny resaka tao Maevatanana fa hoe: ho lany ny gazoala ka nikorapaka ny mpampiasa fiara.
Vokany, raikitra ny filaharana, nitandahatra nilahatra ireo fiara maro be. Toa endrika maneho hatrany, fa mbola tsy tena mivaha ny olana amin’ny fitsinjarana solika eto Madagasikara. Ny 10 aogositra teo, nanaovana serasera be ny hoe: tonga eto amin'ny serantsambon'i Toamasina ny sambo mitondra solika antsoina hoe Hafnia Nanjing izay hamatsy an'i Madagasikara. Mitotaly 79000 m3 ny solika nentiny izay ahitana karazany telo: lasantsy na “Super carburant” 17000m3, gazoala 57000m3, solika fandrehitra 5000m3.Nambara fa tsy misy ahiana arak'izany ny famatsiana solika eto Madagasikara. Nambara fa ho tonga mialoha ny faran'ny volana aogositra izao ny famatsiana manaraka. Nialohan’ny fahatongavan’io sambo io, nolazaina hatrany fa ampy ny tahirin-tsolika, kanefa vao tonga io dia mbola nanaovana serasera mipoapoaka fa tonga ny solika. Nialohan’io rahateo, voalaza fa mbola nanana tahiry 15 andro isika, izany hoe: tsy ny solika no olana fa ny fitsinjarana sy ny famarotana, ary io mbola misy tarazony io. Heverina fa mbola noho ny lonilonin’ny Fanjakana sy ny kaompanian-tsolika hatrany no anton’izao. Talohan’izao mantsy dia voalaza fa ireo mpitatitra solika mihitsy no tsy nety nitatitra. Ny vola mifampiditra eo amin’ny Fanjakana sy ny kaompania samy manana ny ambarany satria ny andaniny milaza fa 550 miliara Ar, ny ankilany miteny fa 1068 miliara Ar. Tantara mitohy!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.