Mponin’ny Fokontany iray manontolo no indray nihorohoro nanaovan’ny miaramilan’ny DAS azy. Tao Marosakoa no nitrangan’izany ny alatsinainy heriny teo.
Ao amin’ny distrikan’i Maevatanana no misy io tanàna io. Miaramila roa eo anivon’ny DAS no nisava sy naka avy hatrany ny kara-panondron’ny olona. Tsy vitan’izay fa nasain’ireo niboridana avy hatrany ireo izay sendra azy. Ary ny tena nampalahelo aza dia noteren’ireo hanome omby miaraka amin’ny vola ireo olona ireo ihany. Ny niangainy dia ny fisamboran’izy ireo lehilahy iray tao an-tanàna, tao Marosakoa. Nalain’izy ireo io olona io niaraka tamin’ny namany efatra rehefa nahiahiana ho dahalo. Teo dia efa raikitra ny fidarohana isan-karazany, nitohy tamin’io fampiboridanana io. Teo ihany koa anefa dia efa nomen’ny havan’ireo voasambotra vola ireo miaramila roa noho ny tahotra. Tsy afa-po tamin’io vola io ireo miaramila dia nosamborin’izy ireo hatramin’ny sefo Fokontany. Tsy afa-nanoatra rahateo satria basy no eo an-kandrina. Efa fantatry ny manampahefana any an-toerana ity tranga ity ary nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafana. Matetika heno ny ditran’ireo miaramilan’ny DAS izay mahatalanjona fa arovan’ny lehiben’ny tafika hatrany. Asa indray izay hahazo ireo roa lahy nampihorohoro vahoaka ireto.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.