Manohy hatrany ny fanatsaràna ny famatsiana herinaratra manerana ny Nosy ny orinasa JIRAMA,
amin'ny alalan'ny fampiasana ny angovo azo havaozina, araka izay voafaritry ny tondrozotra fanarenana ny orinasa. Efa am-perin’asa ny iray amin'ireo vondrom-pihary herinaratra miisa roa, izay manana tanjaka 160 kW napetraka ao amin'ilay tobim-pamokarana herinaratra hifangaroan'ny solika sy ny masoandro ao Maevatanana. Efa mivaha tsikelikely arak'izany ny olan'ny fahatapahan-jiro any an-toerana satria ampy ny vokatra herinaratra Mahatratra 804 kW izany raha toa ka 724 kW ny filàna mandritra ny ora be mpampiasa.Mbola an-dalam-pametrahana azy kosa ilay vondrom-pihary herinaratra faharoa izay hanamafisana hatrany ny famatsiana herinaratra any amin’ity distrika iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.